Ny asa fiantrana

Mofonaina anio: Talata, faha 13 Febroary 2024

Matio 6. 1-4

Matio 6. 1-4
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana] 2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, 4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

Ny asa fiantrana

Jesoa Kristy mampianatra, manome toro-marika mahakasika ny asa fiantrana ataon’ny mpanaradia Azy mba ho toe-panahy maha Kristiana no entina manatanteraka izany.

1- Atao amin’ny fanetren-tena

Mampitandrina i Jesoa Kristy: tsy natao hitadiavana dera avy amin’ny olona mitazana ny asa fiantrana atao. Raha filana dera no katsahin’izay manao asa fiantrana dia tsy fitiavana ilay iantefan’ny asa fiantrana izany fa fitiavan-tena te hisongadina, te hoderain’ny mpitazana. Ny asa fiantrana marina dia tsy fitadiavam-boninahitra. Mitaona antsika kristiana izany. Marobe ny olona manodidina antsika mila antsika hanolo-tanana azy ireny. Ataovy amin’ny fitiavana marina izany.

2- Asa masina sy miavaka

Asa masina ny asa fiantrana. Fiainana ny didim-pitiavana nomen’ Andriamanitra izany. Tia an’Andriamanitra ka manolo-tanana, manampy ireo madinika tsy manana, mitia azy ireny. Mila mijery ny mila vonjy mandrakariva ny mpino, mitia azy ka manome ny mahasoa. Tanterahina mangingina izany fa ilay Andriamanitra notiavina kosa no mahita ka mamaly soa. Miantefa amin’i Jesoa Kristy ny asam- pitiavana ataonao amin’ny hafa. Asa masina izany koa aza maika hitady laza sy valiny amin’ny fiaraha-monina mitazana. Aoka ilay Andriamanitra tianao no mahita ny asa tsara ataonao dia matokia Azy fa hiavaka ny valim-pitia omeny anao.

Fanontaniana :

Mba manao asa fiantrana ve ianao. Toe-panahy manao ahoana no manosika anao hanao izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe