Ny didim-pitiavana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Febroary 2024
1 Jaona 3. 18-24
1 Jaona 3. 18-24
18 Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina. 19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, 20 na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. 22 Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. 24 Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.Ny didim-pitiavana
1- Toe-panahy mampiavaka ny Kristiana
Tarihina hifankatia mandrakariva ny mpino. Ny olona afaka mitia ny namana dia ny olona nandray marina ny fanafahan’i Jesoa Kristy. Fitiavana tsy lazaina am-bava fotsiny fa iainana amin’ny asa marina tanterahina (and.18) Afaka tamin’ny fatoran’ny fahotana sy ny fahafatesana ka miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, araka ny maha olom-boavonjy. Olom-boavonjy ao amin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy. Manao asa marina, asa mifanaraka amin’ny mazava. Nandresy ny aizin’ny ota ka manao asa tsara sy marina mifanaraka amin’ny fitarihin’ilay Jesoa Fahazavan’izao tontolo izao.
2-Manamarika ny maha zanak’Andriamanitra
Ny olona nandray ny famonjen’i Jesoa Kristy, mino Azy dia tonga zanak’Andriamanitra. Zanaka matoky ilay Andriamanitra Rainy tia sy mikarakara azy. Manana fifandraisana amin’ Andriamanitra ka manana fahasahiana hametraka ny fiainana Aminy. Manana fahasahiana hitondra ny fiainany eo amin’Andriamanitra fa manolotra ny mahasoa azy hatrany Andriamanitra Rainy. Miavaka ny olona mitandrina ny didin’Andriamanitra, zanak’Andriamanitra mitoetra ao Aminy. Zanaka afaka mangataka Aminy. Mahasoa antsika ny fitandremana ny didin’Andriamanitra. Ataovy ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny fankatoavana ny didiny dia ho tsapanao ny fandraisan’Andriamanitra an-tanana ny fiainanao.
Fanontaniana:
Lazao ireo fahasoavana azo avy amin’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny didiny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe