Tsy azo foanana ny didin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Febroary 2024

Matio 5. 17-20

Matio 5. 17-20
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo] 19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.

Tsy azo foanana ny didin’Andriamanitra

1- Manana fahefana ny Tenin’Andriamanitra

Mampianatra i Jesoa Kristy fa ny fahatongavany teto an-tany dia tsy ho fanafoana ny Lalana sy mpaminany fa ho fanatanterahana izany. Manana ny fahefany eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra ny Soratra Masina koa ny andraikitra noraisin’i Jesoa Kristy dia nanazava, nampianatra Soratra Masina mba hahatonga ny olona rehetra hiaina sy hivelona amin’izany. I Jesoa Kristy no naneho teo imason’izao tontolo izao ny fiainany ny didin’ Andriamanitra, ny fankatoavany ny Tenin’ Andriamanitra. Ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia mianatra Aminy ny fomba fankatoavana an’ Andriamanitra sy ny Teniny.

2-Fiainana ny Tenin’Andriamanitra

Mba hahafahana miaina marina ny Tenin’Andriamanitra dia ilaina ny mampianatra izany. Tsy misy azo foanana na dia ny didy kely indrindra aza. Mazava tsara ny voalazan’i Jesoa eto fa izay mamaha na manafoana, mandrava ireny didy madinika indrindra ireny dia hisy fiantraikany amin’ny anjara toerana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Izay mikely aina kosa ka mandray. mankatoa, miaina ny didin’ Andriamanitra dia hanana ny anjara toerana manokana ao amin’ny fanjakany. Izay maniry hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy mihoatra ny an’ireo mpampianatra ny lalana teo amin’Israely ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Lazao ireo toetra takiana amin’ny olona mampianatra ny Tenin’Andriamanitra

Sampana Sekoly Alahady Foibe