Ny didin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Febroary 2024
Deoteronomia 6. 1-9
Deoteronomia 6. 1-9
1 [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, 2 mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. 3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. 4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. 5 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. 6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. 7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; 8 ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao, 9 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.Ny didin’Andriamanitra
1-Ampianarina
Nomena ny didy sy ny lalana ny zanak’ Israely, tsy ho azy ireo amin’io fotoana nitenenana io ihany fa tsy maintsy ampianarina ny zanaka sy ny taranaka mifandimby. Taranaka mahalala sy mankatoa an’Andriamanitra no fikasana amin’izany. Eny hahatonga ny zanaka hiaina amin’ny fatahorana Azy. Manana adidy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ny didin’Andriamanitra.
2-Manorina ny finoana Azy
Mifamatotra amin’ny fanolorana ny didy ny fanehoana ny maha-Izy Azy ilay Andriamanitra: «Jehovah Andriamanintsika dia Jehovah iray ihany». Ampahafantarina ny Israely fa Tokana ihany ilay Andriamanitra Tompoiny, tokana tsy azony afangaro amin’ny fanompoana andriamani-kafa. Ny olona mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia manorina mandrakariva ny finoana an’ Andriamanitra.
3- Omena toerana eo amin’izay atao rehetra
Ireo didin’Andriamanitra nomena ny zanak’Israely dia raiketina ao am-po «aoka ho ao am-ponao…». Ny fo no maneho ny maha izy azy ny olona manontolo. Rehefa ao am-po ny Tenin’Andriamanitra dia mameno ny fiainana izany. Ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia mitaona anao hanome toerana ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana manontolo, izay asa na fampianarana atao rehetra dia omeo lanja ny Tenin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Lazao izay fomba mahomby entina mampianatra ny zanaka ny Tenin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe