Miaina ny didim-pitiavana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Febroary 2024
2 Jaona 1: 1-6
2 Jaona 1,1 - 6
1 [Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona* mamangy an'itompokovavy** voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [* Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria] 2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: 3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. 4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray. 5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] 6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.Miaina ny didim-pitiavana
1-Mampiavaka ny mpino izany
Mandidy ny mpino hifankatia i Jaona: «...aoka hifankatia isika». Didim-pitiavana efa nomen’i Jesoa Kristy ny mpianany izany. Ny olona milaza fa mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miaina ny didim-pitiavana. Olona efa tonga kristiana no anoratany, olona misitraka ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy (and.1-3) noho izany dia tokony hifankatia mandrakariva. Nandray ny fahasoavan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy dia tokony hiaina amin’ny didim-pitiavana hatrany isika. Notiavin’Andriamanitra, misitraka ny fahasoavany sy ny famindrampony noho izany meteza hifankatia mandrakariva. Didim-pitiavana no maha-mpianatra.
2-Mandeha araka an’Andriamanitra izany
Andriamanitra no namonjy ny olona tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy ilay lalana sy fahamarinana nampihavana ny olona tamin’Andriamanitra. Tarihina handeha amin’izany fahamarinana izany eto ny mpino. Ny olona marina dia ny maka tahaka ny toetran’ilay Andriamanitra marina. Mandeha araka ny lalana nizoran’Andriamanitra nitia ka mamonjy ny olona. Notiavin’Andriamanitra ny olona na manao ahoana na manao ahoana ny toetrany. Andriamanitra fitiavana dia tsy manavaka na iza na iza. Izany fomba nentin’Andriamanitra nitia ny zanak’olombelona izany koa no itarihina ny mpino hitia ny namany.
Fanontaniana :
Nahoana no tsy mahay mifankatia ny olona, eny, na dia ireo milaza azy fa Kristiana aza?
Sampana Sekoly Alahady Foibe