Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Febroary 2024
1 Jaona 2.3-11
1 Jaona 2.3-11
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] 6 Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. 8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny. 9 Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany. 10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. 11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra
1-Marika fa mahalala an’Andriamanitra
Miavaka ny mpino Kristiana, nandray ny fanavotan’i Jesoa Kristy. Olona efa nateraka indray, olom-baovao sady tafaray amin’Andriamanitra. Ny hoe mahalala dia manana fifamatoram-piainana lalina amin’Andriamanitra. Rehefa tena mifamatotra amin’Andriamanitra ny olona dia mandray toetran’Andriamanitra. Tonga mahay mitia. Tia an’Andriamanitra ka mitandrina ny didiny tia ny namana. Hita taratra eo amin’ny fiainan’ny olona ny tena maha zanak’Andriamanitra azy na tsia. Raha tena tafaray amin’Andriamanitra ianao dia zava-dehibe aminao ny fitandremana ny didiny mahay mitia ny namana.
2-Maneho ny fandehanana amin’ny mazava
Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Izay mino sy mandray Azy dia afaka tamin’ny tontolon’ny aizina, miaina amin’ny fahazavana. Noho izany izay olona nohazavan’i Jesoa Kristy, nalainy tao amin’ny aizina ka nentiny ho amin’ny fahazavana dia miaina amin’ny fiainan’ny mazava, mitandrina ny didiny rehetra. Mandresy ny aizina rehetra, mandresy ny faharatsiana rehetra manao ho zava-dehibe ny fiombonana amin’ Andriamanitra amin’ny fitandremana ny didiny. Ny didin’i Jesoa Kristy dia ahatonga ny mpanaradia Azy hifankatia mandrakariva. Izay mitandrina ny didim-pitiavana nomen’i Jesoa Kristy no tena zanaky ny mazava.
Fanontaniana:
Inona no toro-marika omena ny kristiana mba ahafahana mandresy ny fankahalana ny namana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe