Omeo toerana ao am-po ny didin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Febroary 2024

Deoteronomia 26. 16-19

Deoteronomia 26. 16-19
16 [Teny farany hampahazoto ny Isiraely hatoky ny fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo. 17 Efa nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony. 18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, 19 sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.

Omeo toerana ao am-po ny didin’Andriamanitra

Miantso ny zanak’Israely ho amin’ny fankatoavana amin’ny fo manontolo ny didy sy fitsipika nomen’Andriamanitra i Mosesy mba ho mafy orina ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo.

1-Meteza ho vahoakan’Andriamanitra miavaka

Andriamanitra miavaka ilay Andriamanitra efa nifidy manokana ny zanak’Israely. Mazava tsara ny teny hoe: «Jehovah AndriamanitrAO… AndriamanitrAO Izy… firenena rakitra soa ho Azy ianao.» Andriamanitra mandidy (and.16), miteny (and.17), mifidy (and. 18). Navahany tao anatin’ny firenena maro ny zanak’i Israely. Ny fanekena ho vahoakan’Andriamanitra dia mitarika fanomezana anjara toerana ny didy sy ny fitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainana manontolo; eny, hahafahany mitoetra hatrany ho firenena masina hatrany.

2- Tandremo ny didin’Andriamanitra

Ny antso ataon’Andriamanitra amin’ity firenena navahany tao anatin’ny maro ity dia ny fitandremana ny fitsipiny. Miteny Andriamanitra, ny anjaran’ny vahoakany dia ny mihaino, mandray ao am-po, miaina, mankatoa, mitandrina izay didy rehetra nomen’ Andriamanitra azy ireo. Mazava araka izany fa ny anjarantsika mpino Kristiana, izay efa nanao fanekena fa hifamatotra fiainana amin’Andriamanitra, dia ny mahay mihaino ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Ny fahaizana mihaino no mitarika antsika ho amin’ny fitandremana sy ny fankatoavana ny didiny sy ny fitsipika nomeny.

Fanontaniana:

Midika inona ho anao ny maha zanak’Andriamanitra anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe