Andriamanitra mitsara ny manohitra Azy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Janoary 2024
Asan'ny Apostoly 12. 19b-23
Asan'ny Apostoly 12. 19b-23
19 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.Andriamanitra mitsara ny manohitra Azy
1- Manohitra ny fanenjehana ny mpianany
« Ary…nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy » (and. 23). Heroda dia mpanjaka nanenjika ny Fiangonana. Baikon’i Jesoa Kristy no nahatonga ny mpianatra nandeha nitory Filazantsara. Tsy nankasitraka izany anefa i Heroda, ka tonga hatramin’ny famonoana an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona. Vokany, nosazin’ Andriamanitra ho faty izy. Araka izany, mananatra izay manam-pahefana ny Soratra Masina, fa heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fanenjehana ny Fiangonana sy ny mpianatr’i Kristy, ary mety mahafaty tampoka izany. Aza manohitra na manenjika ny Fiangonana fa tenan’i Kristy ety an-tany izany. Sarotiny amin’ny Fiangonany i Jesoa Kristy ka tsy maintsy manafay izay manenjika Azy.
2- Manafay ny mpiavonavona
« … ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty. » (and. 23). Tamin’ny seho an-tsehatra nankalazana ny lalao fanomezam-boninahitra ny Amperora, no niakanjo ny akanjo maha mpanjaka azy Heroda, izay fotoana nahavory vahoaka maro tokoa. Tampoka teo, tratry ny aretina hafahafa izay naharovitra ny tsinainy i Heroda, ka maty. Naka ny voninahitra tokony ho an’ Andriamanitra tamin’ny niantsoan’ny vahoaka azy hoe « feon’ Andriamanitra izany fa tsy feon’olona ». Araka izany, aza manaiky hampitovin’olona amin’Andriamanitra fa heloka eo anatrehan’ Andriamanitra izany. Ary ny fanekenao hitovy amin’ Andriamanitra, dia midika ho fanoherana an’Andriamanitra sahady. Fadio ny miady ny voninahitra tokony homena an’Andriamanitra fa omeo voninahitra Izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa.
Fanontaniana:
Inona mahatonga ny olona hiady voninahitra amin’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe