Jesoa Kristy Mpamonjy
Mofonaina anio: Talata, faha 30 Janoary 2024
Lioka 4. 23-30
Lioka 4. 23-30
23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa. 24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny. 25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra] 26 nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena. 27 Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany. 28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany, 29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana. 30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.Jesoa Kristy Mpamonjy
1- Miasa amin’izay mino Azy
« Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa. « (and. 23). Fantatra fa Jesoa Kristy dia lehibe tao Nazareta. Sarotra tamin’ireo fianakavin’i Jesoa sy ny mpiara-monina taminy ny nino ny maha Mesia Azy. Naniry ny hanaovan’i Jesoa fahagagana tahaka ny nataony tany Kapernaomy ny vahoaka tany Nazareta. Tsy nanao izany anefa i Jesoa satria tsy nino Azy izy ireo. Noho izany, izay rehetra te hahita fahagagana sy asa mahagaga avy amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mino Azy aloha. Amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no ahitana zava-mahagaga avy Aminy. Tsy azo terena hanao asa mahagaga i Jesoa, raha ilay olona maniry te-hahita izany tsy nino Azy akory. Ary izany no itaomana antsika hino an’i Jesoa Kristy mba hahitantsika ny asa mahagaga ataony.
2- Mamonjy izao tontolo izao
« Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany, » (and. 28). Rehefa tsy nety nanao asa mahagaga tao Nazareta i Jesoa sady narahiny fanazavana miendrika fampianarana momba ny nataon’i Elia sy Elisa, dia tezitra izy ireo. Ary ny antony niteraka izany fahatezerana izany, dia ny fiheveran’ny vahoaka fa ny jentilisa indray no toa tian’i Jesoa mihoatra noho ny fianakaviany sy ny tanana niaviany. Ho antsika kosa, aoka ho tsaroana mandrakariva fa planin’ Andriamanitra ny hamonjy izao tontolo izao ka aza tezitra amin’izany. Ary maneke hihaino ny Tenin’Andriamanitra entin’i Jesoa Kristy. Aoka tsy ho ianao ihany no henoin’i Jesoa Kristy, nefa ianao tsy mba mihaino izay lazainy. Henoy ny Teniny, na dia mifanohitra amin’ny fisainanao aza.
Fanontaniana:
Inona ny fampianaran’i Jesoa no tsy tianao henoina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe