Jesoa Kristy fahazavan’izao tontolo izao
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Janoary 2024
Jaona 9. 1-7
Jaona 9. 1-7
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. 2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? 3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. 5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. 7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.Jesoa Kristy fahazavan’izao tontolo izao
1- Maneho ny asan’Andriamanitra
« Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy. » (and.3). Teo amin’ny firenena tatsinanana, ny aretina fahajambana dia mety ho avy amin’iray amin’ireto: avy amin’ny fahotana talohan’ny nahaterahana, avy amin’ny fahotan’ny ray aman-dreny, na koa avy amin’ny fifandraisan’ny ota sy ny aretina, Nodisoin’i Jesoa Kristy izany ka nambarany fa misy asan’Andriamanitra tiany haseho. Araka izany, tsy voatery hisy fifandraisany ny ota sy ny aretina, fa ny fisian’ireny kosa dia tranga fanararaotra ahazoana maneho ny fahasoavan’Andriamanitra. Noho izany, manoloana ny aretina sy ny olana mahazo ny olona dia tokony mitodika amin’ Andriamanitra izy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia ho sitrana sy ho afaka amin’izay mangeja azy.
2- Mizara fahazavana
« Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. » (and. 7) Rehefa avy nandrora tamin’ny tany i Jesoa Kristy, ka naniraka ilay jamba ho any amin’ny farihy Siloama hanasa ny masony, dia nanatanteraka avy hatrany ilay jamba. Izany fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy izany, dia midika sahady ho fananana finoana. Tsy ny fanaovana feta nahosotra tamin’ny mason’ny jamba no nampahiratra azy fa ny fankatoavany ny Tenin’i Jesoa Kristy. Araka izany, ao anatin’ny aretina sy ny olana mahazo anao dia araho izay ambaran’i Jesoa Kristy aminao, dia hahazo fanasitranana sy vahaolana amin’ny fiainanao ianao. Aza mitady fahagagana vao hankato ny Tenin’i Jesoa Kristy fa ankatoavy aloha ny Tenin’i Jesoa Kristy, dia hahita fahagagana sy handray famonjena avy Aminy ianao.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ankatoavanao ny tenin’i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe