Ny Fiangonana reharehan’ny mpitory filazantsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Janoary 2024

2Tesaloniana 1. 1-10

2 Tesaloniana 1,1 - 10
1 [Ny hafalian'i Paoly noho ny faharetan'ny Kristiana tao Tesalonika sy ny finoany ary ny fitiavany] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, 4 ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan*'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [* Gr. eklesia] 5 famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo 6 fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, 7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, 9 dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, 10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.

2Tesaloniana 1. 1-10

Ny Fiangonana reharehan’ny mpitory filazantsara

1- Mitombo amin’ny finoana

« Satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra. » (and. 3). Ny teny hoe « mitombo » ampiasaina eto dia toy ny fitomboan’ny zava-maniry. Nidera ny fandrosoan’ny finoan’ny Kristiana tany Tesalonika i Paoly Apostoly na dia teo aza ny olana tao anatin’ny Fiangonana. Sady nitombo ara-pinoana ny Fiangonana tany Tesalonika no nitombo fifankatiavana ihany koa. Fianarana ho an’ny Fiangonana hafa koa izany. Araka izany, fifaliana ho an’ny mpitory Filazantsara ny fahitana ny finoan’ny Fiangonana, indrindra ny fitomboan’ny fifankatiavana. Mety misy ny olana sy ny tsy fitovian-kevitra ao anatin’ny Fiangonana; kanefa ny andrasana amin’ny Kristiana dia fitomboan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fifankatiavana.

2- Manàna faharetana

« …ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo » (and. 4). Niharan’ny fanenjehana ny Fiangonana tany Tesalonika. Ny fahoriana vokatry ny fanenjehana dia mariky ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy. Nanoloana izany fanenjehana izany dia nivavaka ho azy ireo i Paoly Apostoly satria amin’ny alalan’ny finoana, ny fahatokian’ Andriamanitra, no mampaharitra ny mpino. Ary izany no nahatonga ny Fiangonana naharitra tamin’ny fanenjehana. Rehefa mitombo finoana ny mpino dia mitombo amin’ny faharetana ka lasa mpanompo mahatoky. Tsy voahozongozon’ny fanenjehana ny finoan’ny olona mahatoky an’i Jesoa Kristy. Ary ny fanenjehana aza dia fomba hitomboana ara-pinoana.

Fanontaniana :

Hatraiza ny faharetanao amin’ny fanenjehana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe