Ny olona mahita fitia amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Janoary 2024

Eksodosy 33.12-23

Eksodosy 33.12-23
12 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao. 13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity. 14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho. 15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala at?. 16 Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao. 17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho. 18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. 19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo. 20 Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. 21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao; 22 koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.

Ny olona mahita fitia amin’Andriamanitra

1- Tarihin’Andriamanitra « Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho. » (and. 14). Valin’ny fangatahan’i Mosesy tamin Andriamanitra izany. Nangataka fitarihana avy tamin Andriamanitra i Mosesy. Nanome toky Andriamanitra fa ny « Tavany » no hitarika azy ireo. Ny « Tava » dia entina ilazana ny anjely izay nampanantenan’ Andriamanitra hatrany am-piandohana fa hitarika ny Zanak’Isiraely (23: 20. 21). Ary tsy hisaraka amin’i Mosesy io anjely io raha tsy efa vita ny iraka nampanaovina an’i Mosesy. Izany no fitsaharana. Noho izany, Andriamanitra no mitarika ny olom-boafidiny sy ny vahoakany. Fa ny andrasana amin’ny vahoaka kosa dia ny hankato ny fitarihany. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanekena hotarihan’ny Fanahy Masina.

2- Mahita ny voninahitr’Andriamanitra

« Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. » (and. 20). Nangataka ny hahita ny voninahitr Andriamanitra i Mosesy. Tsy navelan’ Andriamanitra hahita ny tavany i Mosesy. Fa ny nataon’Andriamanitra kosa dia rehefa mandalo ny voninahitr’Andriamanitra dia hafenina eo antsefaky ny harambato i Mosesy. Noho izany, tsy misy olona mahita ny tavan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny asan’Andriamanitra no ahazoana mamantatra ny voninahitr’Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no ahatsapana ny fanatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra. Ka izay rehetra te hahita ny voninahitr’Andriamanitra dia mino an’i Jesoa Kristy. Minoa an’i Jesoa Kristy dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra.

Fanontaniana

Inona no mbola iandrasanao ny voninahitr ‘Andriamanitra?

Sampan,a Sekoly Alahady Foibe