Andriamanitra miteny amin’ny olony

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Janoary 2024

Ezekiela 3. 22-27

Ezekiela 3. 22-27
22 [Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao. 23 Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho. 24 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao. 25 Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao. 26 Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy. 27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.

Andriamanitra miteny amin’ny olony

1- Miaro azy amin’ny ratsy

« Andeha, mirindrina ao anatin’ny tranonao ianao. » (and. 24) Nanambara tamin’ny vahoaka ny faharavan’i Jerosalema sy ny loza maro samihafa mety hitranga ny mpaminany Ezekiela. Nanoloana izany, dia tezitra taminy ny olona ka nikasa hanisy ratsy azy. Mba ho fiarovan’ Andriamanitra azy, nirahina hihidy ao an-trano i Ezekiela ho fiarovana azy amin’ny ratsy. Araka izany, Andriamanitra dia mampahafantara ny olom-boafidiny ny tokony hatao manoloana ny fanenjehana noho ny fanambarana ny Teniny. Mety manahirana ny olona sy ny vahoaka tokoa ny filazana ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra fa raha milaza loza noho ny faharatsiana. Ary antony mahatonga ny olona hanenjika ny mpanompon’ Andriamanitra izany. Raha mitranga aminao izany, matokia ny fitondran’i Jesoa Kristy anao sy ny fiarovany. Hiaro anao Jesoa Kristy.

2- Mampiteny azy amin’ny fotoany

« Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy… » (and. 27). Misy ny fotoana izay nanaovan’ Andriamanitra an’i Ezekiela ho moana, tsy mahazo miteny, tsy mahazo mananatra ny vahoaka, tsy mahazo milaza na inona na inona amin’ny vahoaka. Asain’ Andriamanitra mangina ny mpaminany tamin’ny fotoana sasany ary tsy mahazo miteny izy raha tsy Jehovah no mampiteny azy indray. Araka izany, Andriamanitra no mampiteny ny mpaminany, dia ny Fiangonana izany. Tsy izay fotoana tiany hitenenana akory dia miteny izy fa Andriamanitra manambara azy ny fotoana tokony hitenenany. Ary izany no asan’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonana.

Fanontaniana:

Inona, iza no manosika anao hiteny manoloana ny zava-misy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe