Ny mpianatr’i Jesoa Kristy:
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Janoary 2024
2 Petera 1.16-21
2 Petera 1.16-21
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5). 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.Ny mpianatr’i Jesoa Kristy:
1- Manambara ny voninahiny
« Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy » (and. 17). Nilaza ny amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy i Petera eto. Tamin’izany no nampahatsiahivany fa tsy zavatra noforonin’ny saina, na angano fanaon’ny mpampianatra sandoka akory izany. Fa i Petera sy ny mpianatra mihitsy no nahita ny voninahitr’i Jesoa Kristy tamin’ny fiovan-tarchy teny an- tendrombohitra. Araka izany, izay mahafantatra ny voninahitr’i Jesoa Kristy no manambara izany amin’ny hafa ka mampahafantatra azy fa tena ho avy amin’ny voninahiny tokoa i Jesoa Kristy, hitsara ny velona sy ny maty, fa tsy nofinoty sy anganongano akory. Koa aoka hiomana amin’izany ny manan aina rehetra. Vavolombelon’ny laza sy ny nomen’ Andriamanitra Ray an’i Jesoa Kristy ny mpino. voninahitra
2- Manambara ny hasarobidin’ny tenin’Andriamanitra
«Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika…» (and. 19). Ny mpampianatra sandoka dia nihevitra ny tenany ho manana ny Tenin’Andriamanitra kanefa tsy mino ny fiavian’i Jesoa Kristy. Nampahatsiahy anefa i Petera eto fa amin’ny fiverenan’ny Tompo dia hanatriaka Azy mivantana isika, araka ny Soratra Masina. Fanambarana feno sy tanteraka no ambaran’ny Soratra Masina ka mendrika horaisina sy tehırizina amin’ny finoana mba ho fanazavana ny fo sy ny saina. Ny olona mino ny Tenin’Andriamanitra ka manantena ny fiavian’i Jesoa Kristy no manana ny fahazavan’ny teny faminaniana. Ary ny tanjona amin’izany dia tsy fampahafantarana fotsiny ihany, fa monjena ho an’izay rehetra mino. Koa minoa ny Tenin’i Jesoa Kristy, dia hovonjena ianao.
Fanontaniana: Inona ny fomba anehoanao ny mpiantr’i Kristy anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe