Ny olona mahita ny Voninahitr’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Janoary 2024
LIOKA 9.28-36
LIOKA 9.28-36
28 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. 29 Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. 30 Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, 31 izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. 32 Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany* izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony nahatsiaro tsara] 33 Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. 34 Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy. 35 Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. 36 Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.Ny olona mahita ny Voninahitr’Andriamanitra
1-Te-hiara-monina amin’i Jesoa Kristy
«Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, …» (And. 33) Teny nataon’i Petera tamin’ny niovan’i Jesoa tarehy teny an-tendrombohitra izany. Nahita an’i Mosesy sy Elia niseho niaraka tamin’i Jesoa izy ireo. Mosesy sy Elia izay maneho ny Lalàna sy ny Mpaminany. Jesoa Kristy izay ambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany no Voninahitr’Andriamanitra. Te-hiara-monina sy hanompo an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy no hevitr’ilay hanangana tranolay. Araka izany, Jesoa Kristy no Voninahitr’Andriamanitra, ka izay rehetra mitady hahita ny Voninahitr’Andriamanitra dia tsy maintsy mijery an’i Jesoa Kristy. Ary izay maharitra mijery an’i Jesoa Kristy ihany no mahita ny Voninahitr’Andriamanitra.
2- Mahafantatra ny lalam-pamonjena
«Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. » (And. 35) Tamin’ny vanim-potoana anelanelany, ny feo no namantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Eto dia Andriamanitra mihitsy nо manambara ny maha Mpamonjy sy Mpitsara an’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy no natsangan’Andriamanitra ho Mpamonjy ny olona rehetra ka tokony hohenoina. Ka izay rehetra mihaino sy mino Azy no handray famonjena avy Aminy, indrindra amin’ny andro fitsarana. Noho izany dia ny feo rehetra mitarika ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy no tokony hohenoina, satria izany no avy amin’Andriamanitra. Ary tsy avy aiza akory izany feo izany fa avy amin’ny Soratra Masina (Lalàna sy Mpaminany).
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ahafahanao mihaino ny feon’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe