Jesoa, maneho ny voninahitr’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Janoary 2024

Jaona 11. 32-46

Jaona 11. 32-46
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; 34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. 35 Jesosy nitomany. 36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? 38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. 39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. 40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. 42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. 43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! 44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy. 46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.

Jesoa, maneho ny voninahitr’Andriamanitra

Anisan’izay mangidy indrindra amintsika olombelona ny fahabangana noho ny fahafatesan’ny olona akaiky ny tena. Ho fifampaherezana dia aoka isika hahatsiaro fa:

I- Miombom-pahoriana amintsika i Jesoa (and.33-38)

Fony mbola narary mafy i Lazarosy dia efa nampitondra hafatra tany amin’i Jesoa ireto anabaviny satria nino ihany izy ireo fa hahasitrana azy Izy. Nony tonga tany amin-dry Maria anefa i Jesoa dia efa maty i Lazarosy. Olona vonton’alahelo sy fahoriana no manoloana Azy. Raha nahita izany i Jesoa dia niontana ny fony, tora-kovitra lzy sady nitomany. Tsy noho ny famoizam-po, na ny hakiviana manoloana izao fahafatesana izao anefa no antony, fa noho ny fiombonany alahelo sy fahoriana amin’ireto olona izay iharan’izany. Tsarovy àry fa tsy mamela antsika ho irery amin’ny fahoriana izay mianjady amintsika i Jesoa, ary tsy hoe manatrika antsika fotsiny Izy, fa miombom-po amin’izay rehetra manjo sy miara-mitondra izany amintsika.

2- Izy no fananganana ny maty.

Jesoa dia efa nanambara fa « lzy no fananganana ny maty sy fiainana  » (Vakio ny and.25,26). lzany dia milaza amintsika fa manana fahefana amin’ny fiainana sy ny fahafatesana lzy. Tsy amin’ny fahoriana izay mandalo vetivety ihany no anehoany izany fahefana izany fa amin’izay rehetra momba ny fiainantsika, dia ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.Izay andrasana amintsika dia ny hananantsika fahatokiana Azy amin’ny fiainantsika manontolo. Ka na inona na inona zavatra mihatra rehefa mino Azy isika dla anehoany ny voninahiny. Hasehony amintsika ny hery sy ny fahetany amin’ny zavatra rehetra. « Minoa an’i Jesoa, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » (Asa 16.31).

Fanontaniana:

Hatraiza ny finoantsika an ‘i Jesoa, manoloana ny fahafatesana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM