Ny fitsaran’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Janoary 2024

Apokalypsy 15.1-8

Apokalypsy 15.1-8
1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. 2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin] 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. 5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny Didy Folo] 6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra* izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [* Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)] 7 Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. 8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.

Ny fitsaran’Andriamanitra

Asehon’ny mpanoratra amintsika fa amin’ny andro farany dia tsy maintsy hiatrika fitsaran’Andriamanitra ny olona rehetra, ka samy hanana ny anjara toerana manandrify azy ny tsirairay.

1- Ny ho anjara toeran’ny voavonjy.

Ny olom-boavonjy dia ilazana ireo olona nahatoky rehetra, anisan’izany ireo maritiora sy ireo izay nijoro tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy ka naharitra hatramin ‘ny farany.Ireo no vahoaka navotan’Andriamanitra. Mijoro sy mandeha eo ambonin’ny ranomasina fitaratra mifangaro amin’ny afo izy ireo ka miampita amin’izany, sady mihira ny fihiran’i Mosesy (and.2) .Mampahatsiahy antsika ny fanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely sy ny niampitany ny ranomasina mena izany. Ravoravo izy ireo, ka mihira fiderana an’Andriamanitra izay Tompon’ny hery nahazoana fandresena. Ny “fihiran’i Mosesy » sy « fihiran’ny Zanakondry« no hirainy, fihirana izay manambara ny fanavotana ao amin’i Kristy Zanak’ondrin’Andriamanitra.

2- Ny ho anjara toeran’ny tsy mino.

Rehefa hovohana ny tempolin ‘Andriamanitra any an-danitra, izay misy ny « tabernakelin’ny vavolombelona »mirakitra ireo didy folon’Andriamanitra dia hiseho ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fahamasinany.Mikatona ho an’izay tsy mino ny fahafahana manatona Azy « …ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ny anjely fito ».Lazaina eto izany mba hahafahan’ny rehetra miomana dieny izao. Ny finoana ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no mampitony io fahatezeran’Andriamanitra io tsy hihatra amintsika.

Fanontaniana:

Efa vonona hiatrika ny fitsaran’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM