Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!
Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Janoary 2024
1Tantara 29. 10- 13
1Tantara 29. 10- 13
Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!
1- Aoka hankalaza Azy isika!
Nanana fikasana hanorina ny tempoly i Davida mpanjaka, saingy tsy tanteraka izany. Solomona zanany, izay handimby azy no hanao ny asa, araka ny fikasan’Andriamanitra. Nanafatrafatra an’i Solomona iDavida sady nanolotra azy ny drafitra sy ny sarin’ny tempoly harafitra, araka izay efa nampahafantarin ‘i Jehovah azy.Nambarany tamin’ny vahoaka koa ireo zava-tsarobidy efa nangoniny hanaovana ny tempoly. Nanentana ny vahoaka ihany koa izy mba samy hanolotra izay foiny avy, ka dia samy nazoto nanatitra fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tempoly avokoa ny loham-pianakaviana. Nahafaly an’iDavida indrindra izany ka nahatonga azy hankalaza an’Andriamanitra teo imason’ny vahoaka hoe: « Isaorana anie Hianao, Jehovah ó, Andriamanitr ‘lsiraely razanay, hatramin ‘ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. » (and. 10)
2- Izy no Tompon’ny zavatra rehetra.
Ankehitriny dia azony antoka ny hahatanteraka ny faniriany sy ny fikasany, dia hahavitana ny tempoly. Fantany ny halehiben ‘ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra(and.11); ny harena toy ny volafotsy sy ny volamena, ny voninahitra, ny hery sy ny fahatanjahana dia avy amin’Andriamanitra avokoa. Ny olona resy lahatra tahaka azy dia tsy hirehareha amin’izay heveriny ho fahombiazany fa mahay manetry tena sy manome voninahitra an’Andriamanitra ka hilaza hoe: « Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao (and. 12).
Fanontaniana:
Amin ‘ny antony inona no tokony hisaorana an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM