Ny fiavian’ny Tompo amim-boninahitra.
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Janoary 2024
"LEHIBE NY VONINAHITR' ANDRIAMANITRA
Lioka 21.25-28
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary et? ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza] 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.Ny fiavian’ny Tompo amim-boninahitra.
Nanontany an’i Jesoa momba ny fotoana haharavan’i Jerosalema mbamin’ny Tempoly ny mpianany. Namaly izany i Jesoa sady nanambara ny zavatra hiseho amin’ny fiaviany indray:
1- lalohavan’ny famantarana (and.25, 26)
Ny filazana momba ny famantarana hiseho amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia milaza ny fikorontanana sy ny fahasimbana mahazo ny tontolo ny noharian’Andriamanitra : fikorontan’ny toetrandro, hain-tany, tondra-drano, ranomasina mahery vaika sns… Ireny rehetra ireny dia efa nambaran’i Jesoa.Hiteraka fanahiana sy tebiteby ho an’ny zanak’olombelona izany ka hahavery hevitra azy. Hisy mihitsy aza ny ho fatin’ny tahotra noho ny fanahiana izay hanjo ny tany manontolo (and.26).Ny vaovao mivoaka isanandro amin’ny haino aman-jery, na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia manamarina fa miharatsy izao fiainana izao, ary izany no manambara fa antomotra ny fiaviany.
2- Fotoam-pamonjena ho an’ny mpino (and.27, 28)
Na eo aza ireo famantarana ireo, i Jesoa koa dia efa nanambara fa amin’ny fotoana tsy ampoizina io fiaviany io (Jereo Lio 12.40).Toy izao ny fomba nilazany izany: « Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy « (and.27).Ny tena Kristiana mino an’i Jesoa Kristy dia miandrandra fatratra io andro hiverenan’i Kristy am-boninahitra io. Mitaky fiomanana sy fahavononana lalandava anefa izany. Ny fiomanana izay tokony hataontsika dia ny fibebahana sy ny fanolorantena feno ho Azy. lzany koa no handresena ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao.
Fanontaniana:
Inona avy no amantaranao fa efa akaiky ny fiavian ‘ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM