Ankalazao ny fahendren’Andriamanitra! Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Desambra 2023
Romana 11.33-36
Romana 11.33-36
33 Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra] 34 Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13) 35 Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? 36 Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.Ankalazao ny fahendren’Andriamanitra! Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah?
1- Ny fandavan’ny Israely an’i Kristy no nahatonga famonjena ho an’ny firenen-drehetra.
Nandà an’i Kristy ny Jiosy, tsy nanaiky Azy ho Ilay Mesia voahosotr’ Andriamanitra. Vokatr’izany no nampiely ny Apostoly any amin’ny firenena hafa ka « nampanan-karena » azy (Jereo and. 11,12). Ny fahajambana ara-panahy nahazo ny Jiosy no niteraka soa lehibe ho an’ny Jentilisa. Izany hoe : ny fahalavoan ny Jiosy no niteraka ny fanavotana ho an’ny firenena rehetra. Niniana « nohajambaina » àry ve ny masony mba tsy hahita an’ Kristy (Sal.69.22,23) mba hahazoana mamonjy ny firenen-drehetra? Raha izany, ahoana ny hoavin’io firenena voafidy io sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama razany? Miaiky ny mpanoratra ka hoy izy: « Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! » (and.33)
2- Tsy nafoin’Andriamanitra ny Jiosy.
Tsy haharitra mandrakizay ny hajambam-panahin’ny Jiosy, fa rehefa hahita ny ny Jentilisa misitraka ny harem-pahasoavan’ Andriamanitra izy ireo dia hisy sisa » hahatsiaro » ny maha- firenena nofidin’ Andriamanitra azy sy ny tombontsoa avy amin’izany, ka hiverina Aminy. Ary raha miverina izy ka miova fo sy fanahy dia horaisina indray. Ny fahamarinana azo antoka indrindra dia izao: izay rehetra manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy no hovonjena, na Jiosy izy na Jentilisa. « Fa lzy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady lzy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. » (and.36)
Fanontaniana:
Nahoana no saro-pantarina ny fitondran’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM