Hiankohoka eo anatrehany? Sokajin’ olona roa samihafa izay samy milaza fa te- hahita ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan’i Jesoa no aseho antsika anio:

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Desambra 2023

Matio 2.1 - 12

Matio 2.1 - 12
1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy* avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[*Magy = olon-kendry]

Hiankohoka eo anatrehany? Sokajin’ olona roa samihafa izay samy milaza fa te- hahita ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan’i Jesoa no aseho antsika anio:

1- Ny Magy.

Ny Magy izay nolazaina hoe olon-kendry avy any atsinanana, rehefa avy nanontany ny momba an’i Jesoa ka nahalala fa any Betlehema any Jodia no hahaterahany ka dia nanao izay hahatongavana tany, Tratrany ny tanjony : nahita an’i Jesoa izy ireo ka niankohoka teo anatrehany ho fanajana Azy, sady nanokatra ny vata fitehirizan-drakiny ary dia nanolotra zavatra ho Azy, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. Ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao am-pontsika dia mitarika antsika hiankohoka eo anatrehan’ny fahalehibeazany, sy hanolotra fanatitra ho Azy. Rehefa manolo-tena feno ho an’ Andriamanitra ny olona dia mahafoy zava-tsarobidy ho fanajana Azy.

2- Heroda mpanjaka:

Heroda mpanjaka kosa, raha nahare ny amin’ny hahaterahan’ny Mpanjakan’ny Jiosy dia nangorohoro. Fantany tsara mantsy fa niandry ny fiavian’ny Mesia ny Jiosy, ary efa ampoiziny izay ho fihetsiky ny Jiosy raha tanteraka tokoa izany. Rehefa nanontaniana ny mpisorona dia mazava ny valinteny, fa any Betlehema no hahaterahany, araka ny efa voalazan’ny mpaminany. Namotopototra mangingina ireo Magy izy ka naniraka azy ireo hankany Betlehema mba hizaha izany zava- baovao izany. Feno fihatsarambelatsihy ny fony, raha nilaza izy fa mba « te- hankany hiankohoka eo anatrehany » . Miseho amin’ny fihetsiny ny asan’ny satana, izay mikendry ny tsy hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra, mba hamonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tonga nofo.

Fanontaniana:

Inona no zava-tsarobidy atolotrao ho fanajana an ‘i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM