Ankalazao ny Mpamonjy!

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Desambra 2023

2Samoela 22.47- 51

2 Samoela 22,47 - 51
47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, 48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, 49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe; 50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. 51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.

2Samoela 22.47- 51

Ankalazao ny Mpamonjy!

Ny fahatsapan’i Davida ny famonjen`Andriamanitra azy tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa i Saoly no nanosika azy hanao ity hira fisaorana ity. Ambarany eto àry fa:

1- Andriamanitra velona Izy.

« Velona Jehovah…  » (and.47a). Mahalaza zavatra betsaka amintsika ny tian’i Davida ambara: tsy andriamanitra moana sy maty tahaka ireo andriamanitry ny Jentilisa Izy, fa mandre izay miantso Azy ka manafaka izay mila famonjena avy Aminy (and.48, 49, 50). Izy no mitondra sy manoro ny làlana halehan’ny mpanompony mba tsy ho azon’ny fahavalo. Izy no miandany amin’ izay miady amin’ny mpanompony ka mampandresy azy. Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mampitodika antsika amin Ilay Andriamanitra velona sy manjaka amin’ny taona rehetra. Izay rehetra mino Azy dia ho velona tahaka Azy, sady manantena ny hanafoanana tanteraka ny fahotana sy ny fahoriana ary ny fahafatesana. Fa hoy Jesoa: « … Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. » (Jao 19.14)

2- Andriamanitra Tompon’ny fahefana rehetra lzy.

Tsapan’i Davida fa tsy ho tonga mihitsy amin’izao toerana maha-mpanjakan’Israely azy izao izy, raha tsy ny Tompo no nametraka azy teo. Ny fandinihany ny làlam-piainana nodiaviny no nahatsapany izany, Maro ny sedra nolalovany, kanefa tamin’izany rehetra izany dia tonga mpandresy izy ka nasandratra ho mpanjaka. Tsy nirehareha tamin’ izay toerana misy azy ankehitriny Izy, fa Andriamanitra no nasandrany sy nankalazainy hoe : Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay. (and.51)

Fanontaniana:

Inona no mahatonga antsika hankalaza an Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM