Ankalazao ny Mpamonjy!

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Desambra 2023

Salamo 147.7- 20

Salamo 147.7- 20
7 Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,

Ankalazao ny Mpamonjy!

Mitaona antsika hankalaza Azy ny mpanao Salamo satria :

1- Andriamanitra Mpahary Izy.

Tanisain’ny mpanoratra ny sombintsombiny amin’ireo zava-mahagaga nohariany : “Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no mampisy ny ranonorana amin ‘ny tany sy mampaniry ahitra amin ny tendrombohitra » (and 8). Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy (and 17). Asehon’ ireny zavatra nohariany ireny ny hery sy fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra : « Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. Mandatsaka ny havandrany tahaka ny sombintsombin-javatra Izy » (and. 16-1 7). Ny fandinihana sy ny fiheverana ny firindran’ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra dia tokony hitarika antsika ho amin’ny fiderana sy fankalazana Azy.

2-Andriamanitra mpiahy Izy.

Asehon’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’izay rehetra nohariany ny fitiavany sy ny fiahiany: “Manome hanina ho an’ny biby Izy sy ho an ‘ny zana-goaika izay mitaraina » (and.9). Mihoatra lavitra noho izany ny fitiavany sy ny fiahiany antsika zanak’olombelona. « Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. » (and. 13). Andriamanitra irery no mpiahy sy fiarovana azo antoka ary loharanon’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana, araka ny voasoratra hoe: « Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy. Vokisany vary tsara indrindra ianao.  » (and.14). Ny fahatakarana izany rehetra İzany dia mahatonga antsika hatahotra Azy sy hanantena ny famindrampony mba hiverenana Aminy indray, fa izany no ankasitrahany. « Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindrampony » (and.11)

Fanontaniana:

Inona no mahatonga anao hankalaza an ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM