Mankalazà an’Andriamanitra, iaino ny fitiavana.
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Desambra 2023
1 Jaona 4. 7-21
1 Jaona 4. 7-21
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 9 Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. 12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany*. [* Na: ny fitiavana Azy] 13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. 14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. 15 Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. 16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 17 Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao. 18 Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana. 19 Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha. 20 Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? 21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.Mankalazà an’Andriamanitra, iaino ny fitiavana.
1- Manahaka an’Andriamanitra
Hitantsika eto ny maha- Izy Azy an’Andriamanitra : «Andriamanitra dia Fitiavana». Fitiavana, loharano ivoahan’ny fitiavana Andriamanitra. Rehefa mifandray Aminy ny olona, manaiky atsangany ho zanak’ Andriamanitra dia manana ny toetrany. Manana fitiavana ka mahay mitia ny olona rehetra satria Andriamanitra efa nitia ny olona rehetra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izy.
2-Maneho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana
Rehefa mino sy manaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy ny olona dia monina sy miasa ao anatiny ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra. Mifamato-piainana amin’ Andriamanitra ny mpino ka afaka maneho eo amin’ny fiainany ny fisian’ Andriamanitra manapaka sy mitondra azy indrindra rehefa miaina amin’ny fitiavana marina. Ho tsapan’ireo olona mifanerasera amin’ny mpino fa manana toetra miavaka ny mpino ka ho resy lahatry ny fiainana ao amin’ Andriamanitra izy ireny.
3- Mandray ny fiainana ho avy
Rehefa miaina amin’ny fitiavana araka an’Andriamanitra ny mpino Kristiana dia mahazo toky ny fiainana ho avy. Niaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra, nahatanteraka ny didim-piitavana dia tsy hanan-tahotra manoloana ny fitsarana ho avy (and.17). Ny olona tena miaina amin’ny fitiavana marina dia tsy matahotra ny ho avy. Nitia an’ Andriamanitra, nanao ny asany, eny nitia ny olona rehetra.
Fanontaniana :
Tena miaina araka ny ftiavana avy amin ‘Andriamanitra ve ny mpino Kristiana ? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM