Ny antony hankalazana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Desambra 2023
Eksodosy 15:11-18
Eksodosy 15:11-18
11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana? 12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany. 13 Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy. 14 Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia; 15 Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana. 16 Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao. 17 Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô. 18 Jehovah hanjaka mandrakizay doria.Ny antony hankalazana an’Andriamanitra
Ny Eks 15 dia hira fiderana an’Andriamanitra nataon’i Mosesy rehefa nahatsapa ny herin’ Andriamanitra nitondra sy nanafaka ny zanak’ Israely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Midera an’ Andriamanitra ny olom-boavonjy.
1- Tsy misy toa an’Andriamanitra, miavaka Izy.
Samy manana ny andriamanitra ivavahany sy iankinany ny firenena samihafa. Miavaka kosa ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Andriamanitra efa naneho ny heriny tamin’ny namonjeny tamin’ny nanafahany ny Zanak’Israely tamin’ ny fanandevozan’ny Egyptiana. Hoy ny and.11 «Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin ‘izay andriamanitra? » Na dia naneho ny heriny aza ny Egyptiana notarihan’i Farao, nanenjika, nitady hamatotra; dia miasa Andriamanitra, nasehony ny heriny mahagaga ka nisaraka ny ranomasina nandehan’ny olon’Andriamanitra, ringana tao anaty ranomasina ny Egyptiana izay niditra sy nanenjika.
2- Mpandresy, mampandresy ny olony Izy
Nisitraka ny famindrampon’Andriamanitra ny Zanak’ İsraely. Voavonjy sy afaka tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana, ka mizotra ho any amin’ny tany Kanana. Raiki-tahotra ireo firenena manodidina amin’ny làlana hitondran Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Reraka ny fon’ izy ireo mandre ny herin’ Andriamanitra mahagaga (and. 14-16). Mifanohitra amin’ izany kosa ny fiainan ‘ny olom-boavonjy, miaina ny fiainam-pandresena ka fifaliana, fihobiana, fanandratana an’Andriamanitra Mpanjaka no mameno ny fony. Mankalaza an’ Andriamanitra ny voavonjy.
Fanontaniana:
Nahoana no mankalaza an’Andriamanitra ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM