Miavaka ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Desambra 2023
Asan'ny Apostoly 4,13 - 22
13 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy. 14 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny. 15 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy 16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. 17 Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza. 18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. 19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. 20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. 21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao. 22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.Miavaka ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy
Na dia nadinina sy nosakanana tsy hanao ny asa nanirahan’i Jesoa Kristy azy intsony aza i Petera sy Jao