Misaora an’Andriamanitra noho ny famonjeny
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Desambra 2023
SALAMO 30.1-12
SALAMO 30.1-12
1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola] 4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana] 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]Misaora an’Andriamanitra noho ny famonjeny
1-Manafaka amin’ny herin’ny fahafatesana Izy
Nanalokaloka ny fahafatesana,toa efa nilaozana ny tontolon’ny fiainana satria efa latsaka anaty lavaka,nizotra ho any amin’ny fiainan-tsy hita ny fiainany.Navelan’Andriamanitra hiseho izany ka nihevitra ny fahavalony ho efa nafoin’Andriamanitra ity mpanompony.Rehefa niantso sy nitaraina tamin’Andriamanitra anefa izy dia niditra an-tsehatra Andriamanitra ka namonjy ny ainy sy nanafaka azy .Velona tra-pamonjena izy,mitohy ny fiainany ka indro misaotra an’Andriamanitra .Mitohy ny fiainany miaraka amin’Andriamanitra .
2-Fanantenana ho an’ny mino Izy
Miantso ny olona mba hankalaza Azy mandrakariva ity mpanompony ity .Ny famonjena azony tamin’Andriamanitra dia mahatery azy hilaza amin’ny olona rehetra fa tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra ny fiainana an-tany ,mifamadibadika ny toe-javatra rehetra (and5),kanefa rehefa miaraka amin’Andriamanitra ,miankina Aminy dia tsy ho resy fa ho mpandresy hatrany .Mampitoetra ny famindrampony amin’ny olona mino sy manantena Azy mandrakariva Andriamanitra.Ny faneken’ny olona hitoetra eo amin’Andriamanitra mandrakariva no ahafahany midera sy mankalaza an’Andriamanitra .
Fanontaniana:
Fomba ahoana no entinao midera an’Andriamanitra noho ny asany nataony teo amin’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM