Amin’ny andro farany dia samy mbola ho tsaraina araka ny asany avy ny olona.

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Novambra 2023

Apokalypsy 20.11-15

Apokalypsy 20.11-15
11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. 12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. 13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] 14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] 15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.

Amin’ny andro farany dia samy mbola ho tsaraina araka ny asany avy ny olona.

Nampahitana an’i Jaona izay toe-javatra mbola tsy nitranga hatramin’izao fa amin’ny fitsarana farany. Nasehon’Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny olona rehetra mijoro manoloana ny fitsarana amin’izany fotoana izany. Sokafana ny boky ka vakiana avokoa eo ny asa nataon’ny tsirairay tety an-tany. Izay tsy voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana dia atsipy ao anaty farihy afo. Ety an-tany dia maro ny olona minia tsy mahafantatra fa Jesoa Kristy no Mpanjaka… Kanefa na dia izany aza, ho avy ny andro farany dia ho fantany izany. Hoy i Jesoa «Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony.» (Mat.12,36). Hoy koa ny voalazany hoe: «izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.» (Jao.5,29). Samy mbola hotsaraina avokoa ny olona rehetra, koa aoka samy atao am-piheverana na ny teny avoaka na ny asa atao eo amin’ny fotoana omen’Andriamanitra ahavelomantsika.

Fanontaniana :

Ho avy indray amin’ny voninahiny i Jesoa Tompo, efa vonona ho amin’izany ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM