Maniraka ny Fiangonana Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Novambra 2023
Filipiana 2. 12-18
Filipiana 2. 12-18
12 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, 16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.Raha najoron’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fiangonany dia manana ny tanjony amin’izany Izy dia ny hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra. Ary izany tokoa no tokony ho antom-pijoroan’ny fiangonana ankehitriny. Koa aoka samy hanao izany.
Ireto Filipiana ireto dia olona tena mahafinaritra tokoa satria manaja fandaminana, ary tsy mba nanahirana an’i Paoly mihitsy fony mbola teo amin’izy ireo i Paoly (and 12). Ary na dia tsy teo intsony aza i Paoly dia mbola nitohy ihany izany fankatoavana izany satria fiainana anaty vokatry ny Tenin’Andriamanitra, toetra tsara, milafika tao an-tsainy sy ny fony. Mbola ampirisihana aza izy ireo mba hanohy ny asa fanompoana amin’ny tsi-fimonomononana. Io dia mila fankatoavana omen’ny rafitra izay mampimonomonona ny ankamaroan’ny Kristiana. Andriamanitra dia miara-miasa amin’ny olona manaja fandaminana. I Jesoa Kristy dia Zanaky ny Avo indrindra, kanefa nanaiky ny fanapahana izay nisy tamin’izany, teo amin’ny ara-pivavahana sy ny fanjakan’ny tany. Ary tsy maty Izy raha tsy nanankery taminy ny fahefan’ny tany. Ny fahafatesany anefa no nitondra famonjena ho antsika.
Mora sa sarotra aminao ny manaiky ny rafitra eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, ara-panjakana, ny ankohonana, ny toeram-piasana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM