Tokony ho faly ny olon’Andriamanitra, satria ho avy Izy hanangona ny ondriny

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Novambra 2023

Isaia 40.9-11

Isaia 40.9-11
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema] 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.

Tokony ho faly ny olon’Andriamanitra, satria ho avy Izy hanangona ny ondriny

« Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka ; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valinasa homeny dia eo anoloany.» (and. 10) Olona tsy mieritreritra intsony ny hiverina any an-tanindrazany fa efa niorim-ponenana tanteraka tany Babylona no indro anambarana ny fahafahana ankehitriny, fa afaka miverina any an-tanindrazana. Any amin’ny tany Babylona no iandrasan’ny Tompo azy ka hanomezany ny Teniny ho toy ny vilona mahavelona azy. Ohatra ihany no niantsoana azy ho toy ny ondry ary Jehovah no mpiandry. Ny zava-mahafinaritra anefa dia ilay voalazan’i Davida ao amin’ny Salamo 23. 6 hoe: «Fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra iainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho».

Ry havana, raha Jehovah no Mpiandry antsikadia afaka miaina ao anatin’ny fahasoavana isika . Manaraka amin’ny andro rehetra iainana ny fahasoavana tena izy raha mbola eto an-tany aza izany!

Ekenao tokoa ve fa ao amin’Andriamanitra no misy ny fiainana ary ao amin’i Jesoa Kristy izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM