Tsapanao eo amin ny fiainanao ve fa efa antomotra tokoa ny andro? Inona no fiomanana tokony hatao?

Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Novambra 2023

Apokalypsy 22. 6-15

Apokalypsy 22. 6-15
6 [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. 7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. 8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. 9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho. 10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro. 11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. 12 Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany. 13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. 14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. 15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.

Apokalypsy 22. 6-15

1- Andriamanitra irery no mendrika hoderaina (and 8-9)
Anjely no nampiasain’Andriamanitra mba haneho amin’i Jaona ny fahitana. Rehefa nahita izany izy dia resy lahatra ka niankohoka teo anatrehan’ ilay anjely. Nananatra azy ilay anjely fa tsy azo atao izany fa Andriamanitra irery no ivavahana. Ry havana, ny didy voalohany dia mandrara izay miankohoka amin-javatra hafa afa-tsy ny Tompo Andriamanitra ihany. Mety ho fanehoana fahalalam-pomba no anaovana izany, fa mety ho fanehoana fankasitrahana koa, na hafa ankoatra izany; nefa tsy mety izany satria mandika ny didin’Andriamanitra ary asaina mitandrina isika.
2- Tsy maintsy ho tanteraka haingana kokoa ny Tenin’Andriamanitra (and 10-12)
Antomotra ny fiavian’ny Tompo, tsy maintsy ho tanteraka ny teny faminaniana. Manana ny safidiny hitondrana ny fiainana ny tsirairay. Ny mpanao ratsy dia mikiry manohy ny làlan’ny faharatsiany hatrany, ka handray ny valin’ny faharatsiany. Ny »marina », izay miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra dia mitoetra amin’ ny fahatsarana sy ny fahamasinana, satria miomana ny amin’ny fiavian’ny Tompo. Raha mihazakazaka amin’ny faharatsiana izao tontolo izao, ianao izay efa nandray ny famonjena, efa nino an’i Jesoa Kristy kosa mahaiza mitoetra amin ny fahamarinana sy fahamasinana mba hitsena ny Tompo amin’ny toetra mendrika, mba handovanao ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana :
Tsapanao eo amin ny fiainanao ve fa efa antomotra tokoa ny andro? Inona no fiomanana tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM