Mila atao an-tsaina ny faharetana.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Novambra 2023

Jakoba 5. 7-12

Jakoba 5. 7-12
7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po. 12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.

Mila atao an-tsaina ny faharetana.

1- Satria tsy azo hafainganina ny fotoana (and 7)

Na inona na inona fahamaizana, tsy azo hafainganina ny fahavokaran’ny fambolena. Efa manana ny fotoana napetrany ny mpamorona ny amin’ny fahamasahany. Toy izany koa ny fiandrasana ny vokatry ny voa izay afafintsika kristiana: tsy maintsy miandry ny fotoana voalahatry ny Tompo isika. Hoy ny Jakoba 1. 3 – 4 : « ...satria fantatro fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona». Noho izany dia aoka hanana faharetana, miorena tsara amin’ny finoana eo amin’ny fotoana iandrasantsika ny fiavian’ny Tompo indray.

2- Ka tsy tokony hifanome tsiny (and 9)

Rehefa misy toe-javatra tsy mety, na tsy mifanaraka amin’izay heverina ho mety eo amin’ny fiainana, dia miseho ny fimonomononana sy ny fifanomezan-tsiny. Izany toe-tsaina izany dia miteraka fahasimbana ara-tsaina sy ara-panahy eo amin’ilay mpanome tsiny sy izay omena tsiny. Manoloana ny toe-javatra samihafa mitranga ry havana, aoka haharitra amin’ny fanantenana ka tsy hifanome tsiny satria tsy misy olona izay tsy diso. «Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra» (Rom 3. 23). Miandry indray ny fiavian’ny Tompo isika, ialao lavitry ny fiainana maha- kristiana ny fifanomezan-tsiny ,fifampimonomononana…
Fanontaniana:
Raha tsy mety tsara ny fiainanao, iza no heverinao ho tompon’andraikitra tamin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM