Omanina ny saina, fa tsy afaka mitia an’Andriamanitra sady mitia izao tontolo izao ny mpino

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Novambra 2023

Romana 12:1-11

Romana 12:1-11
1 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana] 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka]. 3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy. 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; 7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; 8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana. 9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

1-Omanina ny saina, fa tsy afaka mitia an’Andriamanitra sady mitia izao tontolo izao ny mpino(and 2)

Ny olona kristiana dia nahita fiovana toe-tsaina lehibe raha vao niova fo. Tsy sarotra amin’ny kristiana ny manamboatra saina fa tsy afaka ny mitia an’Andriamanitra izy sady mitia izao tontolo izao. Mila mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Ratsy ny asany raha vao mitia izao tontolo izao satria mifanohitra ny ara-panahy sy ny ara- nofo. Koa aza tia izao tontolo izao, fa tsy toe-tsain’ny olona mifoha ao amin’i Kristy izany. Jaona apostoly aza dia nilaza fa izay tia izao tontolo izao dia fahavalon’ Andriamanitra. Rehefa tena ao am-po ny fitiavana an’ llay Zanak’Andriamanitra dia tsy olana mihitsy izany, mora ny manaiky izany ka misafidy ny làlan’ny fahazavana.

2-Omanina koa ny saina fa tsy maintsy mifanampy ny samy olona ao amin’Andriamanitra (and 3) Anarina mba tsy hiavonavon-kevitra ny Kristiana ka hilaza ny tenany ho mahavita azy satria tsy maintsy mifanampy ny Kristiana rehetra, na ny manana na ny mahantra, na avara-pianarana na ireo tsy nandia fianarana. Toy izany mihitsy ny rafitry ny Fiangonana, mitovy amin’ny tenan’ ny olombelona, tsy loha daholo fa misy tongotra, tànana sns… Ny loha dia tsy maintsy miara-miasa amin’ny tongotra, na dia any ambony any aza. Koa ny fahasamihafana dia natao hifameno. Noho izany, meteza hanaiky am-pitiavana izany fandaminan’ Andriamanitra izany fa dia hahafinaritra ny fiainana.

Fanontaniana:

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe : nahoana no nasian’ Andriamanitra ny fahasamihafan ‘ny olombelona tsirairay?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM