Ho avy ny Tompo!

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Novambra 2023

1 Jaona 2.24-29

1 Jaona 2.24-29
24 Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo. 25 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. 26 Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo. 27 Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo. 28 Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany. 29 Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.

Ho avy ny Tompo!

Efa nomeny fampanantenana isika

Hita eto amin’ity Epistily nosoratan’i Jaona ity ny mahakasika sy fampitandremana ny amin’ ny antikristy. Asongadiny eto fa efa nampanantenain’i Kristy ho antsika ny fiainana maharitra mandrakizay (and.25). Amin’ny fotoana maha- antomotra ny fiaviany dia maro ny manolotra fampianaran-diso hamily ny finoantsika. Izahao toetra ireny fanahy ireny sao hamitaka antsika ka hanala ilay fampanantenana efa nomeny ho antsika. « Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra , ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jao 4.3) Efa nomeny antsika ny hosotra Ilay noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, hoy i Jaona. Nomena ny hosotry ny zanak’ Andriamanitra isika dia ny Fanahy Masina mba hanampy antsika amin’ny fitarihan-dàlana amin’izay alehantsika. Hoy Jesoa « Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra. » (Jao 16.13). Fa arakaraka ny hankatoavantsika ny Tenin’ Andriamanitra no hanampian’ny Fanahy Masina antsika hahatakatra ny marina tian’ny Tompo handehanantsika, mba tsy hahatonga antsika hanenina, raha ho avy ny Tompo.

Fanontaniana:

Ambarao ny fahavononanao amin ‘ny fiavian ‘ny Tompo.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM