Ho avy ny Tompo!

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Novambra 2023

Matio 24. 29-31

Matio 24. 29-31
29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. 30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. 31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra]

Ho avy ny Tompo!

Ahoana no hanatanterahana izany? Rehefa afaka izany androm -pahoriana izany, dia hisy korontana, ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ary ny firenena rehetra ambonin’ny tany dia hahita Azy amin’ny fahatahorana ny fahatongayany eny amin’ny rahona. Haniraka ny anjeliny Izy, hanangona ny olom-boafidiny.

Efa hitanao ve izany?

Tsy hanampoka ny olona izay miambina izany fiavian’ny Tompo izany satria efa ambarany ny famantarana mialoha izany. Ny zava- doza miseho lany iainantsika dia tsy tokony hampahatahotra na hampiferina aina antsika, fa efa famantarana hiomanantsika izany. Ny tadiavin’ny Tompo amintsika dia ny miomana araka ny voalazany hoe : « Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy...» (Lio 12.37)

Efa vonona ve ianao?

Rehefa ho avy ny Tompo dia ireto no hitranga : hitsara ny velona sy ny maty Izy, ka hanavaka ny Azy sy ny tsy Azy. Mazava izany araka ny voalazany eo amin’ny and.31. Ny fanontaniana dia hoe : anisan’izay ho Azy ve isika izay mamaky izao mofonaina izao! Tsy ampy ny fandrenesantsika fotsiny ny Teniny fa mila mankato sy miaina izany isika. Hoy Jesoa:  » Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy » (Jao 3.36)

Fanontaniana :

Inona avy ireo mbola mamatotra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM