Ho avy ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Novambra 2023
1 Tesaloniana 2.13-20
1 Tesaloniana 2.13-20
13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa. 14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy, 15 izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, 16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy. 17 Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo. 18 Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay. 19 Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va? 20 Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.Ho avy ny Tompo
Efa nomanina ho amin’izany isika I
.Voalazan’i Paoly eto fa nisy ny fampianarana sy fitaizana nataony ho an’ireto olona tany Tesalonika ireto. Nahafaly azy izany satria tsy noraisin’ ireo tahaka ny tenin’olona ny Tenin’Andriamanitra izay notorina tamin’izy ireo (and. 13). Isika indraindray dia mijery ny mpitoriteny fa tsy mandray izay teny atolony, hany ka takona amintsika ny Filazantsara. Mitondra antsika eo anatrehan’ny Tompo ny fandraisantsika ny Teniny marina tokoa. Tonga reharehan ‘ny mpitoriteny ny fanarahantsika ny Teny izay mitondra antsika amin’ny famonjena.
Efa manana fifaliana ve ianao ?
Fifalian’i Paoly ny mahita ny olona eo anatrehan’ny Tompo raha ho avy izay hijoroantsika rehetra eo anatrehan’ny Tompo amin’ ny andro farany. Ary isika izay mamaky ity mofonaina anio ity? Mba afaka hiteny ve isika hoe: indreto manaraka ato aoriako ireto ry Jesoa ny olona voatariko ho Anao. Mba inona no efa vitantsika manoloana ny Filazantsara. efa noraisintsika? Mba efa nanova tantaran’olona maro tamin’ny alalan’ny fitoriana Filazantsara ve isika? Mba nofinofintsika ve ny hilazan’ny Tompo amintsika hoe: «Tsara izany. ry mpanonpo tsara sady mahatoky. midira amin’ny fifalian’ny Tomponao» (Mat 25.23)
Fanotaniana :
Inona no ambaranao ny amin ‘ny fanantenanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM