Rehefa tonga ny Tompo dia hanolotra ny fiadanany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Novambra 2023

Lioka 2.21-32

Lioka 2.21-32
21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy. 22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo 23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2) 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8). 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.

Rehefa tonga ny Tompo dia hanolotra ny fiadanany

Maro isika no miandrandra ny fiavian’ny Tompo satria fotoana andraisan’ny Tompo izay mino Azy izany. Andro fahoriana ho an’izay tsy mitoetra amin’ny finoana izany, fa androm-pifaliana kosa ho an’izay mitoetra tsara amin’ny finoana tahaka an’i Simeona, izay voalaza hoe: lehilahy marina sady mpivavaka tsara. Azo ambara fa fiadanana azo tsapain-tànana mihitsy no noraisiny satria nitrotro ny Zaza izy.

Tsy faty antoka araka izany ny fivavahana sy ny fitoerana amin’ny fahamarinana. Hampandeha amin’ny fiadanana manomboka amin’ny fandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy no fiaingana ho amin’ny làlam-piadanana. Aorian’ny fandraisantsika Azy no andehanantsika miaraka Aminy. Hisedra zavatra maro isika aorian’ny nandraisantsika Azy kanefa tsy ho irery isika fa Izy no homba antsika amin’izay alehantsika araka ny Teniny hoe : « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan ‘ny fahataperan’ izao tontolo izao.»

Fanontaniana :

Oviana ianao no nandray an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM