Ho avy tampoka ny Tompo !

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Novambra 2023

Malakia 3. 1-4

Malakia 3. 1-4
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.

Ho avy tampoka ny Tompo !

Nefa hisy iraka hialoha Azy
Io iraka irahiny io no hanamboatra ny làlana eo anoloany, hoy ny and.1. Ny fisian’io iraka io araka izany no manamarina fa ho avy ny Tompo. Ireto olona itenenan`Andriamanitra ireto dia ao anatin’ny fitadiavana an’Andriamanitra tokoa. Toy izany koa isika ankehitriny izay mitady an’Andriamanitra sy ny fahasoavany. Firy izay ny iraka nirahiny efa hitanao? Efa impiry ianao no nandre ireny iraka nirahany ireny? Raha henoinao ireny, raha arahinao ny hafatr’ izy ireny dia tsy ho tampoka aminao ny fiavian’ny Tompo.
Hoy Jesoa: «Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. » (Lioka 21:34).

Nefa iza no mahatanty ny andro hiaviany?

Hoy Jesoa :«… Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?» (Lio l8.8). Olona manao ahoana tokoa isika amin’ny fiavian’ny Tompo? Ankehitriny Izy miantso antsika mba hodioviny indray. Mba tsy ho fotoam-panenenana ho antsika ny fiaviany avy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Efa nalatsany ny Rany hanadio antsika. Koa meteza hodioviny. Zava-maharary ny olona ny miala amin’ny faharatsiana rehefa lalim-paka sy tonga fiainany izany. Kanefa hoy Jesoa: « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » (Jao 8.36)
Fanontaniana

Tanisao izay toetra ratsy mety hanakana anao amin’ny fiavian’ny Tompo .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM