Raha hihaona amin’ny Tompo ianao dia:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Novambra 2023

SALAMO 24.1-10

SALAMO 24.1-10
1 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. 2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. 3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? 4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. 5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. 6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba] 7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay] 8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. 9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. 10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.

Raha hihaona amin’ny Tompo ianao dia:

1-Aoka hadio tànana sy hahitsy fo

Tsaroana eto ny Tenin’Andriamanitra hoe: »Aoka ho masina ianareo satria masina Aho , Jehovah Andriamanitrareo » (Lev 19.2).Takin’Andriamanitra izany ho an’izay olona mivavaka sy manatona Azy.Efa voalazany rahateo hoe: « ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka dia tsy mihaino Izy . Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny rà, ary ny rantsa-tananareo amin’ny heloka ,ny molotrareo miteny lainga , ny lelanareo mibedibedy faharatsiana  » (Isaia 59.2-3). Na dia izany aza anefa dia afaka hanadio tena eo anatrehany isika fa mila ny fanadiovana amin’ny Ran’i Jesoa Kristy .

2-Miomana handray fitahiana

Rehefa lavorary ny fahafahantsika hihaona amin’Andriamanitra dia tolorany fitahiana isika , hoy ny and 5 eto . Izany dia manamarina ny teniny fa izay manatona Azy dia tsy mba holaviny mihitsy .Fitahiana izay mariky ny fandraisana andraikitra ataon’Andriamanitra amin’ny olony , ka hahazoantsikaa fahombiazana sy fahalavorariana amin’izay ataontsika .Eto no tanterahany ny teniny hoe : »…ary ny zanako sy ny asan’ny tànakp dia aoka ho adidiko ihany « (Isa 45.11) sy ny hoe: « ...indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao  » (Mat 28.20)

Fanontaniana :

Tanisao ireo sakana azonao ialana raha hihaona amin’ny Tompo

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM