Hifandraisan’Andriamanitra izy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Oktobra 2023

GENESISY 17.1-14

GENESISY 17.1-14
1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. 9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.

1-Hifandraisan’Andriamanitra izy (and1)

« Ary rehefa feno sivy ambin’ny folo taona i Abrama dia nisehoan’i Jehovah ka nitenenany hoe…« ;Asehon’ny fitantarana eto fa tsy itenenany ary anehoany ny maha- Andriamanitra velona Azy ny olony mahatoky.Amboary ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia ho takatrao izay tiany ambara aminao,na amin’ny alalan’ny teniny vakiana na ny teniny toriana na ny teniny tonga nofo izay nonina tamintsika.

2-Valian’Andriamanitra soa izy (and6)

Ny filazana ny taonan’i Abrama eto dia entina maneho fa tsy very maina akory ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ,hitany sy fantany avokoa ireny. Ary mamaly soa ny mpanompony Izy,saingy izao,manana ny fotoanany sy ny sitrapony Izy hanatanterahany izany.

3-Mankato an’Andriamanitra (and11)

Fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny taranany ny hoe: « dia hoforana ianareo ,ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany« .Io famorana io dia tandindon’ny batisa any amin’ny Testamenta . Fa notanterahan’i Abrahama an-tsakany sy andavany i famorana io,tsy nasiana fanontaniana na ady hevitra akory, satria takany fa io no marika sady fidirana ho ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra .Taomina koa isika ,tsy hiady hevitra amin’ny hoe : zaza ,na rano mandeha na endrika ivelany samihafa ,fa hanolotra ny zanantsika ho amin’ny sakramentan’ny batisa ka handray ny fampianarana mikasika izany amin’ny Mpitandrina.

Fanontaniana:

Aiza ho aiza izao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM