Telo tokony ialan’ny Kristiana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Oktobra 2023

Hebreo 13,4-7

Hebreo 13,4-7
4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra. 5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). 6 Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6). 7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.

Fanontaniana
Manoloana ny fampianarana voaray anio, inona no atao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.