Mitahiry ny teny ao am-pony
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Oktobra 2023
OHABOLANA 3.1-12
OHABOLANA 3.1-12
1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; 2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. 3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, 4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. 5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, 7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. 9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. 11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.1-Mitahiry ny teny ao am-pony (and 3b)
« Afehezo eo ambozonao izany , ary soraty eo amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka » .Mihasikasina ao anatin’izany fa tsy manadino ny fanananarana azy ny olona mahay mitondra tena .Tsy olona mitelina voamanadino ka manamavo ny toro-làlana sy ny toromarika samihafa asaina tandremana fa amitahiry ireny ,tsy ao an-tsaina fotsiny akory aza fa tena ao am-po mihitsy .Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : isaky ny mitepo ny fo dia tsaroana miaraka amin’izay ny teny sy ny lalàn’Andriamanitra , ary vokatr’izany dia mahazo fiadanana izy (and2) .
2-Matoky an’Andriamanitra (and5)
« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra , fa aza miankina amin’ny fahalalanao » .Tsy mihevitra ho mahavita tena ka hiantehitra amin’izay heverina ho traikefa na fahalalana ananana fa mametraka ny fiainana manontolo mihitsy eo anatrehan’Andriamanitra .
3-Manaiky anarin’Andriamanitra (and11)
« Anaka ,aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany« . Ny olona tsar fitondrantena dia tsy manao zinona ny fanitsian’Andriamanitra ny diany amin’ny fomba samihafa ,fa mifanohitra amin’izany aza ,mikatsaka mandrakariva ny toro-làalana avy amin’Andriamanitra ary anariny dia mandini-tena sy manitsy ny dia fa ts miziriziry sy manamafy hatoka .
Fanontaniana:
Ahoana no hananana fitondrantena tsara?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM