Hifidy tsara izay ho vadiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Oktobra 2023
Malakia 2,10-16
Malakia 2,10-16
10 [Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika? 11 Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa. 12 Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza*, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly] 13 Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy. 14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. 15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy] 16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.1- Hifidy tsara izay ho vadiana (and.11)
Mavesatra ny fiampangana ny Joda eto hoe «misy fahavetavetana atao ao amin’ny Isiraely sy eto Jerosalema ; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanakavavin’ny andriamani-kafa» (and.18). Toy izao ny zava-nisy : nanjary nanompo sampy ny Joda ka nanamavo ny anaran’Andriamanitra satria naka vady hafa firenena ny sasany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany. Tsy hoe : fanavakavaham-bolonkoditra na fiaviana tsy akory izany sanatria, fa tena antony ara-pivavahana. Fa raha vao maka vehivavy jentilisa ny Jiosy dia tafiditra ny fanompoan-tsampy. Efa voa tamin’izany ry Solomona, Ahaba sy ny hafa. Koa mila mahay misafidy tsara izay hovadiana isika Kristiana. Aoka ho Kristiana ihany no alain’ny Kristiana vady mba hihazonana ny finoana tsy ho levona.
2- Hanaja tsara izay novadiana (and.15b)
Mazava ny fampitandreman’Andriamanitra manao hoe « Koa dia tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady» Mivoitra tsara amin’izany fa tsy vitan’ny hoe : tsy ankasitrahan’Andriamanitra fotsiny ny fanitsakitsahana na fisaraham-panambadiana fa tena halany mihitsy. Koa taomina isika hitoetra ho mahatoky, tsy mivadika ny fanekena natao ka hanitsaka ny vady, izay lova avy amin’i Jehovah rahateo (Oha.19,14), ary Izy no nanakambana. Voambolana tsy tokony ho ao anatin’ny rakibolana Kristiana mihitsy ny hoe : « divorce » na inona na inona antony. Nanamafy izany i Jesoa hoe : «Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.» (Mar.10,9).
Fanontaniana
Ahoana no hampiharana ny fampianarana voaray anio?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM