Ankohonana mirindra
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Oktobra 2023
Efesiana 6,1-4
Efesiana 6,1-4
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.Ankohonana mirindra
1- Ny zanaka manaja ny ray aman-dreny
«Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany» (and.1). Omena baiko ny zanaka eto mba hanaja ny ray aman-dreny , indrindra ny ray amandreny izay mino an’i Kristy. Tsy misaraka ny fihainoana sy ny fanekena. Teo amin’ny Jiosy, adidin’ny zanaka ny manaja ny ray aman-dreny na dia efa lehibe aza izy satria manana ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. Toy izany ihany koa, isika zanaka ankehitriny, ankatoavy ny tenin’ny ray amandreny fa takian’ny tenin’Andriamanitra izany. Sady mitondra soa eo amin’ny fiainan’ny zanaka izany no mahamaro andro ivelomana ihany koa. Rankizy sy tanora, hajao ny ray sy reny izay mitondra ho ao amin’i Kristy sady mitarika sy mananatra ho amin’izay mahasoa
2- Ny ray aman-dreny manabe ny zanaka
«Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.» (and.4). Baiko ihany koa no omena ny ray eto mba tsy hanao izay mampahatezitra ny zanany. Ny ray aman-dreny kristiana dia tsy mpitandrina ny zanany fotsiny ihany fa mampita amin’ny zanaka ny fahefan’Andriamanitra. Noho izany, adidin’ny ray amandreny ny mamolavola ny zanany manaraka ny tenin’Andriamanitra fa tsy ny sitrapon’ny tenany. Modely amin’ny fiainana izany sitrapon’Andriamanitra izany ny ray amandreny mba hahafahany mitaiza sy manabe ny zanany amin’ny famaizana sy fananarana araka an’i Kristy. Mpitandrina ny zanany eo anatrehan’Andriamanitra ny ray aman-dreny ka tsy maintsy mampita ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zanany.
Fanontaniana
Ahoana no fomba tokony hiainan’ny ankohonana izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM