Ny olona mahatoky ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Oktobra 2023
1 KORINTIANA 7.25-28
1 KORINTIANA 7.25-28
25 Fa ny amin'ny virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky. 26 Koa izao no ataoko fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany. 27 Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady. 28 Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.Ny olona mahatoky ny Tompo
1- Manolo-tena hanompo ny Tompo
…tsara amin’ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany» (and.26).
Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Epistily ity, dia nahery vaika ny fampianarana fa efa akaiky ny Tompo. Nisy ny fanenjehana ny Kristiana nanerana ny tany ka nahatonga ny maro nihevitra fa aleo tsy manambady. Ary nanamafy izany ihany koa i Paoly Apôstôly eto. Rehefa mijery ny fahoriana misy ety an-tany ka mibanjina ny amin’ny fihavin’ny Tompo fanindroany indray ny olona, dia tsy mampaninona ny lehilahy ny misafidy tsy hanambady. Azo atao tsara ny manoka-tena tsy hanambady noho ny amin’ny finoana sy ny fanompoana an’i Jesoa Kristy. Noho izany, tsy heloka ny misafidy hijanona ho toka-tena noho ny amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy
2– Mitoetra amin’izay misy azy
2– Mitoetra amin’izay misy azy
«Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady» (and.27). Tian’i Paoly Apôstôly hitoetra amin’ny toerana misy azy avy ny olona tsirairay. Kanefa na manambady na tsy manambady dia samy hafana fo amin’ny fanompoana an’i Kristy. Tsy sakana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fanambadiana. Afaka manompo tsara an’i Kristy ny tsy manambady. Noho izany : izay tsy manambady, mitoera ho tsy manambady ataovy ny asa fanompona ny Tompo. Ny manambady kosa dia nantsoina hanompo an’i Kristy miaraka amin’ny ankohonany. Manompoa an’Andriamanitra ao anatin’ny fahafahana sy faharesendahatra ananana. Ny olom-boavonjy dia manompo an’Andriamanitra mandrakariva amin’izay anjara toerany
Fanontaniana
Inona no olana tsy afahanao manompo tsara an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE F.J.K.M