Sabotsy 07 Oktobra 2023
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Oktobra 2023
SALAMO 128.1-6
SALAMO 128.1-6
1 [Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. 3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao. 4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao. 6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.SALAMO 128.1-6