Ny vehivavy mendrika

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Oktobra 2023

Ohabolana 31,10-22

Ohabolana 31,10-22
10 [Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara*? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy**. [*Na: mahay][**Na: perla] 11 Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. 12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. 13 Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. 14 Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. 15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. 16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. 17 Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. 18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. 19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. 20 Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. 21 Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. 22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.

Ny vehivavy mendrika

« Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe :

sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy…» (and.28). Midera ny vehivavy mendrika ny lahy satria tsy noho izy miavaka ihany fa noho ny fahendrena ananany. Tonga fiainany mihitsy ny fahendrena sy fahamendrehana. Mitondra fahasambarana sy fifaliana ho an’ny tokantrano ny vehivavy mendrika. Amin’ny fotoana ahatsapan’ny lahy fa tena mendrika ny vadiny dia hidera azy izy ary ny zanany ho feno fahasambarana. Ny vehivavy mendrika dia mahay maneho mandrakariva toetra mendrika eo anatrehan’ny vadiny sy ny zanany fa mpanompo sady mahay manompo. Ny fisainana kristiana dia mandray izany ho toy ny Fiangonana izay vadin’i Kristy araka an’Andriamanitra, ary mendrika ho vadin’ny mpanjaka dia Jesoa Kristy izany

Fanontaniana
Inona no antony tsy hananan’ny vehivavy ireo toetra ireo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM