Andriamanitra Tompon’ny tantara

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Oktobra 2023

JEREMIA 29.4-7

JEREMIA 29.4-7
4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy. 6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy. 7 Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.

Andriamanitra Tompon’ny tantara

1-Mitaona ny olona hiaina ny andavanandrony

« manaova trano ianareo ka mitoera aminy ;ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy. » (and 5-15) . Babo tany Babylona ny Jiosy,nisy ny mpamnany sandoka izay nilaza fa tafaverina tsy ho ela any Jerosalema indray izy ireo . Tonga ny taratasin’i Jeremia mpaminany milaza amin’izy ireo fa mbola haharitra ny fahababoana.Mila miaina ny fiainany andavanandro araka izay azo atao izy ireo .Manoloana izany ,aoka hotsaroana fa Andriamanitra no mandamina ny zavatra rehetra sy ny fiainan’ny vahoakany . Na dia miaina fiainana izay toa tsy mifanaraka amin’izay noeritreretinao aza ianao indraindray, tandremo ny mihaino mpaminany sandoka izay toa milaza fiadanana hatrany .Miorena tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ho afaka amin’ny fampianaran-diso ianao.

2-Mitaona ho amin’ny fitohizan-tarannaka

« Manambadia,ka miteraha zazalahy sy zazavavy …ka hihamaro aie ianareo fa tsy hihavitsy » (and6). Anisan’ny hafatra nampitondrain’iJeremia ny vahoaka Jiosy babo tany Babylona izany .Ampahatsiahivina ny vahoaka fa teny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny Patriarka ny hahamaro ny taranak’Israely.Ary izany no nahatonga ny vahoaka nasaina nanambady,na dia any am-pahababoana aza.Milaza izany fa Andriamanitra dia mahatsiaro mandrakariva ny teny fampanantenana nataony,na dia tezitra sy manafay ny vahoaka aza Izy. Ny olona no mety mivadibadika fa Andriamanitra kosa mitana ny teniny hatrany . Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy ho vavolombelona fa tsy miova amin’ny teny fanomezan-toky nomeny ny vahoakany Izy .

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona hovoatariky ny mpaminany sandoka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM