Andriamanitra mahary ny fanambadiana

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Oktobra 2023

Genesisy 2.18-25

Genesisy 2.18-25
18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

Andriamanitra mahary ny fanambadiana

1- Manao vady ho an’ny olona

«Tsy tsara raha irery ralehilahy…» (and.18). Eto ihany no ahitana ny filazan’Andriamanitra fa « tsy tsara » tao anatin’ny fahariana. Noharian’Andriamanitra hanana fifandraisana amin’ny hafa isika. Raha tsy misy fiaraha-miaina amin’ny vehivavy dia tsy ho tanteraka ny hoe « hanjaka » amin’ny zava-boary sy ilay tsodrano hoe : « Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ». Noho izany, nahary ny fanambadiana Andriamanitra mba hahazoana manatanteraka ny fikasany sy ny tsodrano nataony tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, mba tsy hisaina sy tsy hiasa irery ny lahy na ny vavy fa midinika sy hifampiresaka amin’ny vadiny. Rehefa tsy mifampiresaka ny mpivady dia tsy mitranga ny olana ao anatin’ny tokantrano. Koa mifampiresaha ry mpivady !

2- Manolotra vady ho an’ny olona

«…nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy» (and.22). Andriamanitra no nahary ny lehilahy. Andriamanitra no nahita fa tsy tsara raha irery izy. Izy ihany koa no nanolotra vehivavy ho vadin’ny lehilahy. Tsy afaka nihaona ny lehilahy sy ny vehivavy iray izay tonga vadiny raha tsy Andriamanitra no nampihaona azy roa. Noho izany, fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady, satria Izy no nahary sy nanolotra azy. Kanefa koa, tokony ho tsaroana fa safidin’ny tsirairay tao anatin’ireo lehilahy na vehivavy marobe ireo ny iray ho vadiny. Ny nataon’Andriamanitra dia nampihaona, ary adidin’ny olona ny nisafidy izay ho vadiny tao anatin’ireo olona maro hitany ireo.

Fanontaniana

Inona avy ireo fiheveran-diso momba ny fahazoana vady?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM