Mampiely ny fivavahana ny fanenjehana
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Septambra 2023
ASAN'NY APOSTOLY 11.19-26
ASAN'NY APOSTOLY 11.19-26
19 [Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20 Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [* Gr. Grika; na Helenista] 21 Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo. 22 Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. 23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra. 24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo. 25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly. 26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.1-Mampiely ny fivavahana ny fanenjehana
Ny filazana ny anaran’i Stefana izay maty maritiora voalaza any amin’ny toko faha-8 dia tsiahivin’ny and 19 eto . Voalaza àry tany amin’ny fiandohan’ny toko faha- 8 fa nisy fanenjehana mafy ary mifampitohy amin’ity toko ity mihitsy izany filazana fanenjehana natao tamin’ny fiangonana izany .Mihevitra mihitsy ny mpanenjika amin’izany hoe : ho foana ny fivavahana rehefa enjehina ny mpivavaka sy ny fiangonana satria nisy tokoa ireo tratra sy novonoina .Tsy izany velively anefa no fihevitry ny Tompo Andriamanitra ny zava-nisy satria tena fitaovana natao hanaparitahana ny fiangonana sy ny fivavahana mihitsy izany fanenjehana izany araka ny hita eto. Voaporofo mantsy fa tena nampiitatra ny fiangonana sy ny fivavahana ny fanenjehana natao .Entina ampaherezina indrindra ireo voaenjika noho ny fitoriana ny Filazantsara izany toe-javatra izany eto ,mba tsy ho kivy amin’izay mety ho fahavoazana fa hibanjina kosa ny asan’Andriamanitra tanteraka.
2-Mifanohana ny samy mpivavaka
Rehefa niparitaka ny vaovao momba ny nandraisan’ny mpivavaka ny Filazantsara , satria tsy azo sakanana izany zava-misy izany , dia tsy nianina fotsiny tamin’izay efa zava-nisy voatantara momba ny fitoriana ny Filazantsara ny fiangonana,fa naniraka mpitory Filazantsara hanampy sy hanamafy orina ny tena Filazantsara marina. Ny zava-misy eo amin’ny tantaran’ny fivavahana mantsy rehefa mandroso, nyfitoriana ny Filazantsara dia nisy mandrakariva ireo mihoa-pefy manararaotra manaparitaka Filazantsara hafahafa (Jereo Gal 1.6) . Nirahina àry i Barnabasy izay niara-niasa tamin’i Paoly mba hampianatra olona maro hanatsara ny fiainam-pivavahana .
Fanontaniana :
Misy lafiny miabo ihany vee ny fanenjehana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM